Luke 16

1Dia hoy koa Jesosy tamin’ireo mpianany hoe: ‘’Nisy lehilahy mpanan-karena iray nanana mpitantana, ary notanterina tany aminy fa io mpitantana io no nandany ny fananany rehetra. 2Koa nampiantso azy ilay lehilahy mpanan-karena ary niteny taminy hoe: ‘Inona izany henoko momba anao izany? Manomeza tatitra momban’ny asa fitantananao, fa ianao tsy ho afaka ny ho mpitandri-pananana intsony.’

3Ary ilay mpitandrim-pananana niteny tany an-tsainy hoe: “Inona re no tokony ataoko, fa manala ahy amin’ny asa tantaniko ny tompoko? Tsy manan-kery hiasana tany aho, ary menatra ny hangataka aho. 4Fantatro ny ho ataoko, mba rehefa esorina amin’ny asa fitantanako aho, dia hampandroso ahy ao an-tranon’izy ireo ny olona.’

5Avy eo ilay mpitan-draharaha niantso ny tsirairay tamin’ireo mpitrosan’ny tompony, ary dia nanontany ilay voalohany izy hoe: ‘Ohatrinona no ananan’ny tompoko any aminao?’ 6Niteny izy hoe: ‘Menaka oliva zato litatra.’ Niteny taminy izy hoe: ‘Raiso ny taratasinao, mipetraha faingana, ary dimampolo soratana.’ 7Ary avy eo ilay mpitantana niteny tamin’ny anankiray hoe: ‘Ohatrinona ny trosanao?’ Niteny izy hoe: ‘vary zato famarana.’ Niteny taminy izy hoe: ‘Raiso ny taratasinao, ary soraty hoe valopolo.’

8Avy eo ilay tompo dia nidera ilay mpitantana tsy marina satria niasa tamin-kafetsena izy. Fa fetsy kokoa ny zanak’izao tontolo izao ny amin’ny fifanarahana amin’izy samy olona noho ny zanaky ny fahazavana. 9Miteny aminareo Aho, mitadiava namana amin’ny alalan’ny vola tsy marina, amin’izay rehefa lany izany, dia mety ho raisin’izy ireo ao amin’ny fonenana mandrakizay ianareo.

10Izay mahatoky amin’ny kely indrindra dia mahatoky amin’ny be koa, ary izay tsy marina amin’ny kely indrindra dia tsy marina amin’ny be koa. 11Raha tsy mahatoky amin’ny fampiasana vola tsy marina ianareo, iza no hatoky anareo amin’ny harena marina? 12Raha tsy mahatoky amin’ny fampiasana ny volan’ny olona hafa ianareo, iza no hanome vola ho anareo manokana?

13Tsy misy mpanompo afaka manompo tompo roa, fa na izy hankahala ny anankiray dia ho tia ny iray, na koa izy hanolo-tena ho an’ny iray dia hanao tsinontsinona ilay hafa. Tsy afaka manompo an’Andriamanitra sy ny harena ianareo.”

14Ary ny Fariseo, izay tia vola, rehefa nandre izany zavatra rehetra izany, dia nanamavo Azy izy ireo. 15Niteny tamin’izy ireo Izy hoe: “Ianareo dia manamarina ny tenanareo eo imason’ny olona, fa Andriamanitra mahalala ny fonareo. Fa izay hasandratra eo amin’ny olona dia hankahalaina eo imason’Andriamanitra.

16Ny lalàna sy ireo mpaminany dia nisy mandra-piavin’i Jaona. Efa hatramin’izany fotoana izany, no efa nitoriana ny filazantsaran’ny fanjakan’Andriamanitra, ary ny tsirairay dia niezaka nanitsy ny lalany ho amin’izany. 17Fa moramora kokoa ny hahafoana ny lanitra sy ny tany noho ny soratra kely indrindra ao amin’ny lalàna ho tonga tsy manan-kery.

18Izay misaraka amin’ny vadiny ka mampakatra vehivavy hafa dia mijangajanga, ary izay mampakatra vehivavy izay efa nisara-bady dia mijangajanga.

19Ary nisy mpanan-karena iray izay niankanjo voloparasy sy rongony manify ary nankamamy isan’andro ny harem-beny. 20Nisy mpangataka iray antsoina hoe Lazarosy nipetraka teo amin’ny vavahadiny, rakotra fery, 21ary naniry mba hihinana izay latsaka avy eo ambony latabatr’ilay lehilahy mpanan-karena. Fa na ny alika aza tonga sy nilelaka ny feriny.

22Ary indro maty ilay mpangataka ka nentin’ireo anjely ho eo anilan’i Abrahama. Maty ihany koa ilay mpanan-karena ka nalevina, 23ary tao amin’ny fahaverezana, raha nampijaliana, dia nanandratra ny masony izy ary nahita an’i Abrahama teny alavitra sy Lazarosy teo anilany.

24Koa nihikiaka mafy izy sy niteny hoe: ‘Abrahama Ray, mamindrà fo amiko ary alefaso Lazarosy, mba handrobohany ny tendron’ny rantsan-tanany ao anaty rano ary hampangatsiatsiaka ny lelako, fa ato anatin’ny fangirifiriana mafy anatin’ity afo ity aho.’

25Fa Abrahama niteny hoe: ‘Anaka, tsarovy fa tamin’ny androm-piainanao dia nahazo zavatra tsara ianao, ary ny an’i Lazarosy kosa zavatra ratsy. Fa ankehitriny izy aty dia voatambitamby, ary ianao ao amin’ny fangirifiriana. 26Ankoatra izany rehetra izany, dia nisy hantsana lehibe napetraka, mba tsy ho afaka hiampita izay te-hiampita avy ety mankeny aminareo, ary tsy misy afaka hiampita avy eny hankety aminay.’

27Ilay lehilahy mpanan-karena niteny hoe: ‘Miangavy anao aho, ry Abrahama Ray, mba hanirahanao azy ho any an-tranon-draiko _ 28fa manana rahalahy dimy aho _ mba afahany mampitandrina azy ireo, nohon’ny tahotra ny hatongavan’izy ireo aty amin’ity toeran’ny fijaliana ity ihany koa.”

29Fa Abrahama niteny hoe: ‘Manana an’i Mosesy sy ny mpaminany izy ireo; aoka izy ireo hihaino azy ireo.’ 30Ary namaly ilay lehilahy mpanan-karena hoe: ‘Tsia, ry Abrahama Ray, fa raha misy avy amin’ny maty mankany amin’izy ireo, dia hibebaka izy ireo.’ Fa Abrahama kosa niteny taminy hoe: ‘Raha tsy mihaino an’i Mosesy sy ireo mpaminany izy ireo, dia tsy ho resy lahatra mihitsy na misy olona mitsangana amin’ny maty aza.‘‘’

31

Copyright information for PltULB